<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Andriananahary nikarakara anay FFPM727</title>
<lyrics>[V1]
 Andriananahary
 Nikarakara anay,
 Ka nampitsiry vary
 Ho fivelomanay !
 Ny haninay tahio
 Ho tonga tanjakay,
 Ny hevitray tariho
 Mba hiadananay.

[V2]
 Ry Rainay ao ambony
 Misaotra Anao izahay,
 Fa zava-tsoa itony
 Izay nohaninay.
 Ny zavatra rehetra
 Dia manantena Anao,
 Fa tsy mba misy fetra
 Ny fitiavanao.</lyrics>
<hymn_number>727</hymn_number>
<author>G.J. Webb</author>
</song>